Fivavahana iraniana

Ny fivavahana iraniana dia ireo fivavahana efa nisy hatramin' ny ela talohan' ny nidiran' ny fivavahana silamo tany Iràna Lehibe sy ireo fivavahana nipoitra avy amin' izy ireo na avy amin' ny fampifangaroana azy amin' ny fivavahana vahiny. Ankehitriny dia olom-bitsy no manaraka ireo fivavahana ireo raha mitaha amin' ny fivavahana hafa toy ny kristianisma sy ny silamo. Ireto ny malaza amin' ireo fivavahana ireo: ny zôrôastrisma, ny zervanisma, ny mandeisma, ny fivavahana amin' i Mitra ary ny manikeisma.

Ny finoana sy ny asa ary ny zava-mitranga ara-kolontsaina teo amin' ireo Iraniana tao Iràna tamin' ny Andro Taloha dia lohahevitra sarotra tsorina. Ny Ntaolo iraniana dia vondrom-poko ariana sy tsy ariana. Ny Ariana, izay atao hoe Ntaolo iraniana, dia nivavaka tamin' ny zava-misy eo amin' ny zavaboary toy ny masoandro sy ny hazavan' ny masoandro ary ny varatra, nefa afaka niova ho amin' ny fivavahana amin' andriamanitra tokana izy ireo nefa tsy manao ny andriamanitra hafa ho tsy andriamanitra na dia tsy nivavahany aza (henôteisma / mônôlatria). I Zaratostra (na Zôrôastra), ilay mpaminany iraniana fahiny, dia nanavao ny finoana ara-pivavahana iraniana ho henôteisma (misy koa ny milaza hoe mônôteisma).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne